logo tandavanala logo tandavanala
DHTML Slideshow by WOWSlider.com v4.1

Gazety seraseran'ny TANDAVANALA

Mba hanomezana fahafaham-po antsika mpamaky dia nohezahina nampidirina ao amin'ny tranok'alan'ny CMP Tandavanala ny gazety antsoina hoe : " Seraseran'ny Tandavanala ", izay mivoaka isan-telo volana ary voasoratra amin'ny teny malagasy.

Ato amin'ity sampana iray ity dia ahitanao ireo vaovao maro momba ny tandavan'ala (corridor forestier) sy ny tontolo manodidina azy : ny fikajiana sy ny fintantanana maharitra azy.

Ireo lahatsoratra avoitra ato amin'ny gazety " Seraseran'ny Tandavanala " dia mahakasika ny: vaovaon'ny Tandavanalan'i Fianarantsoa, ny kolon-tsaina sy fanabeazana, ny serasera sy fanabeazana, ahitana toro hevitra mahasoa sy alavoly ihany koa.

Fiaraha-miasa mahomby

Nanomboka tamin'ny taona 2009 no nivoaka ny gazety " Seraseran'ny Tandavanala " ka niaraha-nanatontosa tamin'ireo mponina eny ifotony sy ireo vondrona mpiara-miasa amin'ny CMP Tandavanala tamin'ny alalan'ny fifampizaram-baovao. Araka izany dia ahitana lahatsoratra nosoratan'ireo mpamaky ihany koa ato amin'ity gazety " Seraseran'ny Tandavanala ity ".

Koa dia manasa anao izahy hahita fahafinaretana sy hahazo fahalalana eo am-pamakiana izany !

« Izay liam-baovao, liam-pivoarana! ».

 

GAZETY
Seraseran'ny Tandavanala

Noezahina nampidirina ao amin'ny tranok'alan'ny CMP Tandavanala ny gazety antsoina hoe : " Seraseran'ny Tandavanala ", en savoir plus...

Nos partenaires

Visiteurs

Total : 122060
Aujourd'hui : 15
En ligne : 1

ONG TANDAVANALA
Enceinte Direction Régionale de l'Elevage Besorohitra FIANARANTSOA
BP 1099 - Tél 75 516 58 - mail: cmp.fianar@moov.mg
copyright © 2014 tandavanala.org - touts droits réservés